Nivoaka tamin’ny fahanginany indray omaly ny fikambanana Asandratro ny fireneko tamin’ny alalan’ny filoha lefiny Ranaivo Sata manoloana ny fampiantranoantsika ireo fivoriana sy lalao karakarain’ny Frantsay.
Nantitranteriny fa mbola zanatany Frantsay isika Malagasy ka izay tian’ny mpanjanaka no hataony eto. Tsy misy zavatra atao mety hahazoan’ny Malagasy tombontsoa eto amin’ny firenena na dia kely aza. Tsy ny sitrapontsika no atao fa ny sitrapony, antony tsy maintsy nanaovana ny COMESA teto. Betsaka amin’ireo firenena miara-miasa amin’ny Frantsay anefa no afaka mandray tsara izany satria manan-katao sy milamina. Nahoana no tsy maintsy isika eto Madagasikara no nandray izany nanomboka tamin’ny taona 2007 ? Midika izany fa mbola ny Frantsay no manjaka eto amintsika ary mampiasa ireo bolokiny mba hamonoana ny vahoaka Malagasy. Noraisiny ohatra ny mety hiverenan’ny hetra isan-dahy tamin’ny andron’ny fanjanahantany, tetikasa tafiditra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2017 izay mbola alefa hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ary mety hihatra manomboka amin’io taona ho avy io. Tsy mahagaga raha hotanterahina eto amintsika ny Frankofonia. Mbola vaovao hafa andrasan’ny fikambanana misy azy ihany koa ny daty voatondro hamindrana ny biraon’ny filoham-pirenena Frantsay François Hollande etsy Ambohitsorohitra, hoy izy. Miantso ny vahoaka Malagasy handray ny andraikiny ho tonga saina ny fikambanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.