Ny famerenana ny Dinan’ny Mpiharin’i Monja Jaona (Dada Monja) ihany no vahaolana amin’izao halatra omby sy asan-dahalo tsy misy fanafana izao, ho an’ny faritra telo any Atsimo dia Ihorombe, Anosy ary Atsimo Andrefana. Tsotra ny antony, hoy Razafimahefa Marcellin, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny antoko Monima, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly. «Mampihena ny vola lanin’ny fanjakana amin’ny fanaovana opération no sady mifototra tanteraka amin’ny fihariana ny dinan’ny mpihary (dinam-pokonolona) ary tsy hatahorana hiteraka valifaty amin’ny mponina toy ny ataon’ireo malaso amin’izao aorian’ny fampandriantany ataon’ny mpitandro filaminana».
Mifanaraka amin’ny lalàna velona misy eto amintsika ity Dina ity ary tsy hisy famonoan’olona mihitsy eo amin’ny fampiharana ny sazy. Notsiahiviny fa tamin’ny fotoanandrony ity dinan’ny Mpihary ity dia nampandry fahalemana ny tanàna. Tamin’izany, raha omby iray no very dia nosoloina omby dimy. «Anatra ho an’ny olon-dratsy io sy izay nanana fikasan-dratsy, ka inona no sakana tsy hamerenana azy indray raha tena hiady marina sy manana finiavana hamongotra ny asan-dahalo sy ny halatra omby marina isika», hoy ny CT Razafimahefa Marcellin. Nambaran’ity olom-boatendry avy any Benenitra ity fa mitoka-monina tanteraka ny Distrika sahaniny amin’izao noho ny fahatapahan’ny tetezana ao Besely Bezaha ka tsy afaka mivezivezy intsony ny fiara mpitatitra mpandeha sy vokatra. Manampy trotraka izany, hoy izy ny haratsian-dalana. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny asa vaventy ny tenany mba hamaha haingana ny olana misy, fa tena miaina ao anaty fijaliana tanteraka ny mponina any an-toerana, izay toy ny valala voatango very fanahy mbola velona.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.