Politique

AREMA Miomana ny haka fitondrana …


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011

Mihetsiketsika fatratra tato ho ato ny antoko Arema izay feno 35 taona ankehitriny.

 Hita sy tsikaritra fa nifoha tamin’ny torimasony nanomboka tamin’ny 2009 nanombohan’ny krizy ity antoko noforonin’ny amiraly Didier Ratsiraka ity izay nangina nandritra ny enin-taona nitondran’i Marc Ravalomanana. Nipoitra avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny Arema na ny eto an-toerana izany na ny any ivelany rehefa nanomboka ireo karazana dinika sy fihaonana hamahana ny krizy. Raha natsangana ny governemanta sy ny parlemanta dia nisy ihany koa ireo olon’ny Arema na olon-dRatsiraka niditra tamin’izany. Ny filazam-baovao ofisialy avy amin’ny antoko moa dia nilaza fa tamin’ny anaran’ny tenany manokana no nidiran’izy ireo tamin’izany rafitra izany fa tsy nahazo tso-drano.

Dia nisy karazany roa, araka izany, ny Arema ka teo ireo niara-niasa tamin’ny FAT ary teo koa ireo mankato ny baikon’ny amiraly avy any Paris fa raha tsy vita ny sonian’ny sori-dalana tsy miditra anaty tetezamita izany. Farany teo aza moa tany Gaborone dia sady nisy ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka no nanana ny azy manokana koa ny Arema. Ny tena mpandalina ny politika dia mahita fa fomba fiady ihany izao ataon’ny Arema izao ary ny tanjona amin’io dia ny hahamaro isa azy ireo ao anatin’ny fitondrana, sy ny hahafahana miomana dieny izao amin’izay fifidianana rehetra ho avy eo. Mbola te hahazo fitondrana ny Arema raha ny fahitana azy ary efa miomana tamin’izany vantany vao nirodana ny fitondran’i Marc Ravalomanana, anisan’ny manana paikady politika avo lenta Atoa Didier Ratsiraka ary efa manana traikefa goavana amin’ny fitantanana firenena. Tsy mitovy amin’ny taona nitantanany an’i Madagasikara akory mantsy na dia atambatra aza ny naha filoha an’ny Pr Zafy Albert sy Marc Ravalomama ary i Andry Rajoelina. Ary tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tsy mbola levon’ny vavonin’ny amiraly ny nandresen-dRavalomanana azy tamin’ny 2001 sy 2002 ireny ka nahatonga azy nanampy an’i Andry Rajoelina handrodana an’i Levalo. Ao anatin’ny sangodim-panina politika tanteraka isika amin’izao fotoana ary mety mbola haharitra ny krizy satria samy te hahazo fitondrana ireo ankolafy rehetra. Iray ihany anefa no tsy maintsy mivoaka ho mpandresy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT