Nanamarika ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroan’ny antoko Arema tao Mahajanga, ny fananganana ny biraon’ny mpitantana ny Akanin-jaza Arema ao Mahajanga.
Voafidy ho filoha Rtoa Razanamalala Florine. Faly ny vehivavy fa velona indray ny Arema Mahajanga izay natoritory hatramin’izay noho ny tsy fisian’ny birao mpitantana. Tonga dia nanomboka niasa avy hatrany ny birao voafidy. Programan’izy ireo ny hamelomana indray ireo Akanin-jaza ao Mahajanga tampon-tanàna, izay nisy telo tany amin’ny taona 1980. Natrehin’ny mpandrinda ny antoko Arema, Ramanana René ny fifidianana ny birao mpitantana ny Akany. Teo amin’ny 200 ny vehivavy tonga nandray anjara tamin’izany, ka vehivavy mpitantana Akanin-jaza avy aty Antananarivo ny 29 tamin’ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.