Politique

Arema Antsirabe Miomana amin’ny fitsenana ny Deba


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010


Niantso ireo mpikatroka Arema indray ny mpitarika izany tao Antsirabe II ny sabotsy 6 Novambra teo ka nifamotoana tao amin'ny Park de l'Est izy ireo nandinika ny raharaham-pirenena. Maro ireo kamarady fahiny no nanoina ity antso ity izay notarihin'Atoa Rakotomahafaly Denis, solombavambahoaka teo aloha. Tsy dia mbola nisy zavatra tena nambara moa nandritra ity fihaonana ity fa dia fanairana ireo mpikambana manerana ny distrika ihany aloha satria dia fiomanana amin'ny fiatrehana ny fahatongavan'ny Amiraly sy ny mety hiatrehana ihany koa ireo fifidianana ho avy.

Raha nanontaniana mikasika ny  raharaham-pirenena moa Atoa Rakotomahafaly Denis dia hita ho mifanipaka amin'ny filazan'ny mpanorina ny antoko ny heviny ary nilaza mihitsy izy fa tsy amin'ny anaran'ny antoko no itenenany. "Mety amiko ny fitsapan-kevi-bahoaka fa tsy mety amiko ny fifidianana ben'ny tanàna", hoy izy. Tsapa moa fa somary nihetsika avokoa ny ankamaroan'ireo mpikatroka Arema taloha taorian'ny nandalovan'i Tantely Andrianarivo tao Antsirabe izay na dia efa maro aza no nivadika ho MDM sy MTS. Angamba hiahaka ireo fikambanana roa ireo rehefa tena tonga eto an-toerana ny Amiraly, hoy ny mponina any an-toerana !

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT