Politique

Arema Ambatondrazaka Tsy olana na filoham-pirenena na depiote no fidiana mialoha


  • Zoma 25 Janoary 2013

Nandritra ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena ny sampana Arema Ambatondrazaka no nitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpandrindra ny antoko any amin’ny faritra Alaotra, Rakotomaharo Hoby.

 Efa vonona amin’ny fifidianana isan’ambaratongany  izay ho tanterahana amin’ity taona ity, hoy izy ny Arema ka tsy olana izay haroso aloha na fifidianana filoham-pirenena na ny solombavam-bahoaka. Misy lafiny tsara sy ratsy hoy izy ny fanatanterahana ny fifidianana solobavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena fa izay haroso eo dia efa vonona amin’izany ny kandida ny antoko Arema.

Fifidianana mangarahara sy mahazo ny fahatokisan’ny rehetra no heverin’ny Arema tsara tanterahana. Mandrapahatonga izany fifidianana izany dia manohy hatrany ny asa sosialy fanaony ny antoko Arema any Alaotra. Anisan’izany ny fanatsarana ny Akany Arema sy ny fanolorana fitaovaona ara-panatanjahan-tena toy ny baolina kitra hoentina hamolavolana ny kilonga ho tia fanatanjahantena. Velona sy miaina ny antoko Arema any Alaotra na misy aza ireo izay efa nisintaka tamin’ity antoko naorin’ny Amiraly ity.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT