Taorian’i Mahajanga dia ny tananan’Antsiranana indray no mampiantrano ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko Arema.
Fampirantiana sary, mirakitra ny tantaram-piainan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoha mpanorina ny antoko hatramin’ny fahazazany ka hatramin’izy teo amin’ny fitondrana ary ireo zava-bitany tao Antsiranana no nisantarana izany, nanomboka omaly eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ary hitohy hatramin’ny sabotsy 8 oktobra 2016. Andrasana ny fahatongavany any Antsiranana amin’io sabotsy io. Fotoana voalohany koa io hihaonany amin’ny vahoakan’Antsiranana, taorian’ny niverenany an-tanindrazana tamin’ny 24 novambra 2011. Manomana ny fahatongavany any ny mpandrindra nasionaly ny antoko, Ramanana René sy ny zanany vavy, Sophie Ratsiraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.