Politique

Aorian’i Pretoria Mety hiova ho CENA ny CENI


  • Zoma 30 Aprily 2010


Mety hiova ho CENA indray ny CENI. Hanana fahaleovantena ara-bola kokoa ary afaka hanao fanadihadiana momba ny olana na ny fandikan-dalàna manodidina ny fifidianana ny CENA ary manana ny fahefana ara-panjakana. Andraikiny ny manao ny lisi-pifidianana, ny mamaritra ny fomba fifidianana sy ny fanisam-bato. Ifanarahana ny rafitra hitondrana ny CENA. Raha toa ka tsy tafajoro ao anatin’ny 14 andro izay rafitra izay dia ny mpanelanelana vahiny no mamaritra ny dingana harahina mba hahafahan’ny CENA miasa. Olona to teny ary hajain’ny olona no tokony ho filohan’ny CENA. Folo andro aorian’ny fanaovan-tsonia no hanendrena azy. Raha tsy vitan’ny Malagasy izany dia mbola ry zareo mpanelanelana vahiny koa no manao tolo-kevitra, manolotra anarana, amin’izay olona hatao eo. Etsy an-kilan’izay dia hisy komity iraisam-pirenena ho hanendry mpanolotsaina teknika ao anatin’ny CENA. Hiraisan’ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina, ny SADC, ary ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay manendry izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT