Politique

Antsiranana Valin-kafatry ny Ankolafy Telo


  • Talata 12 Oktobra 2010


Nanao valin-kafatra ny tenin’i Bezara Romuald, lehiben’ny Faritra DIANA, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny filohan’ny FAT tao Antsiranana ny 11 septambra 2010 nilaza fa “mila afody ny vavan’ireo mpanohitra fa miasa Atoa Andry Rajoelina”. Nampanantena mantsy ity farany fa hanamboatra hopitaly sy kianja manara-penitra ao Antsiranana izy. Namaly io fitenenana io ny Ankolafy Telo raha namory mpanao gazety ny sabotsy 09 oktobra teo ka nilaza fa “raha miasa i Andry Rajoelina dia tsy niseho lany etsy sy eroa ireo fitokonana lava tsy mety vita ireo. Raha miasa izy dia tokony ho voaloany ireo vola takin’ireny vahoaka mitokona ireny. Ny fiainam-bahoaka izao no manahirana, satria tsy misy vola hampidirany ny zanany hianatra. Maika hanamboatra hopitaly sy kianja ny FAT, midika izany fa manam-bola izy nefa ny vahoaka fadiranovana tsy misy vola, tsy jerena. Rariny raha mitokona ny olona”, hoy Atoa Tarzan. Mihazakazaka hanamboatra hopitaly manaram-penitra ny FAT, hoy ihany ity farany, nefa ny ankamaroan’olona mivoaka maty avy amin’ny hopitaly dia nohon’ny tsy fananam-bola amin’ny vidim-panafondy. Izany no miasa, hoy ny Ankolafy Telo manontany ? 

Môrasiro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT