Niantso mpanao gazety tao amin’ny trano fivorian-dry zareo ny Ankolafy Madagasikara, nahitana ireo mpitarika Ankolafy Telo (Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy) ny sabotsy tolakandro teo.
Nanazava sy nanome ny fomba fijeriny izy ireo mikasika ny fifidianana kasain’ny FAT hatao atsy ho atsy. Nanambara Atoa Manoely, mpitarika ny Ankolafy Ratsiraka any avaratra, izay nitarika fitenenana, fa tsy handray anjara ny Ankolafy Madagasikara ary tsy hampandray anjara ny vahoaka amin’ny fifidianana izy ireo. Fitaka io fifidianana io, hoy izy. Lazaina fa nivoaka tamin’ny fihaonambem-pirenena io lalàmpanorenana io nefa olon’i Andry Rajoelina daholo no nanao azy. Na ireo niatrika tany aza izao dia nisavoritaka nony nahita ny zavatra nivoaka. Nifanarahana ny hametrahana ny satan’i Maputo entina hitondrana ny tetezamita, tsy nilaina, lazaina fa tsy mety, nefa mitady hametraka ny kaongresin’ny tetezamita ny FAT. Tsy ekena izany ary tsy eken’ny firaisambe iraisam-pirenena koa, hoy izy ireo. Iza tamin’ireo antoko politika teny Ivato sy Vontovorona no mba mahenika manerana an’i Madagasikara ?
Noraisin’i Manoely ohatra manokana ny fikambanana VAM (Vahoakan’Antsiranana Mitambatra) na efa lasa antoko politika amin’izao, dia tsy misy azy any Toliara. Ny sasany aza, na ny filohan’ny fokontany tsy azony, nefa milaza fa mitondra sy misolo tena vahoaka amin’ny hamoahana fanapahan-kevitra. Tsy misy izany fifidianana izany, izay tsy ankasitrahinay rahateo, hoy Atoa Noelin, mpitarika ankolafy Ravalomanana ao Antsiranana. Fitsapan-kevi-bahoaka natao hametrahana maharitra an’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana io, ka tsy eken’ny fironana telo, hoy Atoa Tomboravo, avy amin’ny fironana Zafy Albert. Nanamarika ireto mpitarika ny Ankolafy telo ireto fa tsy mbola fantatra akory na ho lany ny tsia ilay lalàmpanorenana nefa ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna efa voafaritra. Midika izany, hoy izy ireo, fa terena ho lany ny ENY. Ny tao DIANA sy tany Atsinanana anefa dia ny rafitra federaly no lanin’ny mpizaika nefa natao lalàmpanorenana tokana ihany hosafidina. Notsinontsinoavina ny hevitry ny vahoaka, hoy i Tomboravo. “Izahay mila an’i Andry Rajoelina miala”, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.