Politique

Antsiranana Tsy afa-maina amin’ny krizy


  • Talata 26 Oktobra 2010

Toerana anisan’ny mahaliana ka misintona mpizahatany eto Madagasikara ny faritra avaratry ny Nosy iny. Na dia manana otrikarena maro aza iny faritra iny eo amin’izay sehatry ny fizahantany izay dia tsy afa-maina amin’ny krizy izy.

Vokany, tsy vitsy ireo trano fandraisam-bahiny voatery nandroaka mpiasa, ary dia nanakatom-baravarana mihitsy aza. Tsy misy mpizahatany tonga mantsy. Tsy maintsy paikady hafa no hampiharina raha tsy tiana ny hihidy sy handroaka mpiasa. “Arakarak’izay tetibolan’ny mpanjifa no hiasanay, tsy misy manko ny asa ka dia ekenay izay tolo-kevitry ny mpanjifa”, hoy Rtoa Mélisssa Dael, mpitantana trano fandraisam-bahiny goavana ao an-drenivohitry ny faritr’i DIANA. Tsy vitsy ireo miandry izay hiafaran’ny krizy kanefa ny mpizahatany tsy tonga. “Tsy azo avela fotsiny amin’izao anefa izany zava-miseho izany”, hoy izy nanamafy. Ireo nosy rahavavy no nohetsehiny voalohany, anisan’ireny La Réunion, Mayotte. Efatra volana taorian’ny asa dia nanomboka hita ny vokatra, araka ny fanazavana.

Nitombo hatrany amin’ny 30% ny taham-pahafenoan’ny trano fandraisam-bahiny tantanany. Fampiasam-bola lehibe ny fananganana trano fandraisam-bahiny, indrindra raha manara-penitra no hatsangana. Araka ny fanazavana, dia telo tapitrisa euros teo ho eo no sandan’ny 500 m² nanaovan’ity hotely tantanan-dRtoa Dael ity fanitarana. Noheveriny fa hahatafaverina ny vola nindraminy izy afaka valo ka hatramin’ny folo taona kinanjo moa dia izao tratry ny krizy izao. Na izany aza anefa dia tsy very fanantenana ny tenany satria maro mpankafy Antsiranana, maro ihany koa ireo toerana tsara tsidihana, indrindra raha toekarena sy fizahantany izay mahaliana ny antsasamanilan’ireo mpizahatany tonga eto amintsika.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT