Politique

Antsiranana Notemerin’ny miaramila ny Kianjan’ny 13 Mey


  • Talata 25 Mey 2010


Nanaitra ny mponina Antsiranana iray vohitra ny nahitana mpitandro ny filaminana marobe nanemitra ny Kianjan’ny 13 mey ao an-toerana ny sabotsy 22 mey lasa teo. Niely tao an-tanàna mantsy ny feo tamin’io andro io fa ho avy ao Antsiranana ary hanao famoriam-bahoaka teo amin’io toerana io ny Pr Zafy Albert, sady filohan’ny ankolafy Zafy rahateo, izay tsy nisy akory. Koa raha noho io feo nandeha io no nahatongavan’ireto miaramila ireto, hiambina ny fidirana ao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey dia miharihary izao fa tsy mahazaka demokrasia ny mpitondra mahefa ankehitriny, hoy ny mpanao politika any an-toerana. Fa tamin’io sabotsy io ihany dia tsy nahazo alalana hanao diabe miendrika tafika masina ny “Global day of prayer”, izay hetsika ara-pivavahana iraisam-pirenena, toy izany koa ny RPM, antokon’i Gilbert Raharizatovo. Nahazo alalana hanatanteraka hetsika an-dalambe kosa ny “Zegny zo”.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT