Namory olona tao amin’ny Hotel de la Poste any Antsiranana ny sekretera nasionalin’ny antoko Arema sady filoha nasionalin’ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na MDM, Pierrot Rajaonarivelo.
Ankoatra ny fampahafantarana ireo mpiandraikitry ny MDM any an-toerana dia nambaran’ity farany fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra misy ny hetsika izay tarihiny. Nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo koa fa handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny tenany. Niaraka taminy tamin’izao diany tany Antsiranana izao ny jeneraly Andrianafidisoa. Talohan’izay dia nihaona manokana tamin’ireo gadra politika, nandritra ny fitondrana Marc Ravalomanana izy ireo. Nanatrika ny fihaonana tao amin’ny Hotel de la Poste rahateo ny valo tamin’izy ireo.
Nisy ihany koa fihaonana manokana tamin’i Pierrot Rajaonarivelo niaraka tamin’ny jeneraly Fidy sy Coutiti Assolant, tao amin’ny trano fonenan’ity farany ao amin’ny “4 étages” ao Place Kabaro. Tsy nisy nipika ny resaky roa tonta, saingy tombanana fa ankoatra ny maha mpiray dia tamin’ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, dia voaresak’izy ireo ny raharaham-pirenena. Marihina fa anisan’ireo 52 voatendry ho mpikambana amin’ny Kaongresin’ny tetezamita, zon’ny ankolafy Ratsiraka araka ny voafaritra tamin’ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, i Coutiti Assolant. Anisan’ireo 37 lahy, voakasiky ny famindram-po nomen’i Andry Rajoelina, raha napetraka tamin’ny toeran’ny filohan’ny fahefana Avon’ny tetezamita teo Mahamasina ny 21 martsa 2009 ny kolonely Coutiti, ary iray lisitra taminy ny jeneraly Andrianafidisoa. Ny 04 aprily 2009 i Andry Rajoelina no tonga tany Antsiranana, ary nanolotra ireo gadra politika zanaky ny faritra ireo, tamin’ny mponina tao an-toerana sady nisantatra ny fitsidiham-paritaniny tany DIANA.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.