Nivadika ny rasa. Niraviravy tanana ankehitriny ireo mpanao politika niaro ny politikan’i Andry Rajoelina tao anatin’izay 18 volana nitondrany izay, indrindra ireo eny amin’ny vondrombahoakam-paritra.
Miteny ho azy ny zava-misy ao Antsiranana. Feno soratsoratra na irony «graffitis» irony ny tanàna, tsy misy iray volana akory aty aorian’ny nitsidihan’i Andry Rajoelina tany, nanaovany fampanantenana samihafa, toy ny hanaovana ho sentetika ny Kianja Mitabe, ny hanamboarana hopitaly …, no miseho izany rehetra izany. Saika ireo faritra talaky maso, rindrina hopitaly, fefina kianja, toerana fiantsonan’ny fiarakodia no feno soratsoratra fankahalana an’i Andry Rajoelina sy ny fitondrany, ary dia navela ho hitan’ny olon-drehetra hiharihary izany.
Ny zavatra hita hatramin’izay mantsy vantany vao misy soratra amin’ny rindrina dia kinga sy mailaka mihitsy ny mpiasan’ny Kaominina sy ny iraka avy amin’ny Faritra mamafa na manindry loko hafa ireny soratra ireny. Izany no hilazana fa miaro ny politikan’i Andry Rajoelina ny Ben’ny tanàna sy Lehiben’ny Faritra DIANA. Ankehitriny anefa, efa herinandro mahery izao, dia tsy nisy namafa intsony ireny soratsoratra ireny. Avela haneho hevitra amin’izay ny olona ? Sa tsy manam-bola hividianana loko hamafana ny soratra ? Asa anefa na fifanojoan-javatra fotsiny ihany fa mitranga izany rehetra izany taorian’ny nahavitan’ilay fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra lasa iny.
Fanapahan-kevitra tsy nampoizina no noraisin’ny mpizaika nandritra io fihaonana io : soloina PDS ny Ben’ny tanàna ary esorina koa ny Lehiben’ny Faritra rehetra. Somary novain’ny filohan’ny FAT itsy voalohany rehefa nanomboka nampiaka-peo ny Ben’ny tanàna maro, fa dia haroso amin’ny 20 desambra 2010 indray ny fifidianana Ben’ny tanàna. Mazava fa mihozongozona ny toeran’ny Ben’ny tanàna sy ny Lehiben’ny Faritra manoloana izany, ka tsy ho afa-bela amin’izany ny Ben’ny tanàna Antsiranana, Johary Houssen Alibay, sy ny lehiben’ny Faritra DIANA, Bezara Romuald, izy ireo izay niaro fatratra ny tetezamita ary nanery vahoaka hatramin’izay, nefa izao mitady hesorina amin’ny toerana, ka mety ho izay no anton’ity soratsoratra manakiana an’i Andry Rajoelina tavela etsy sy eroa ity. Raha izay no izy dia hipoaka ihany ny sarom-bilany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.