Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha politika ao Antsirabe renivohitry ny faritra Vakinankaratra ao.
Rehefa tsy nahomby tamin’ny vela-pandrika ny teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra, tamin’ny nanaovany amboho-pefy ny Kaominina tamin’ny fandraisam-bahiny hanome voninahitra ny lanolam-pamoahana andia-miaramila tao amin’ny Akademia ny zoma 30 jolay 2010 hilazana fa mikomy ny Ben’ny tanàna, dia re izao, araka ny loharanom-baovao akaiky ny ditrikan’Antsirabe I fa dia terena hametra-pialana Rtoa Olga Ramalason, Ben’ny tanàna. Mbola io loharanom-baovao io ihany no mitatitra fa teny midina no asaina tanterahin’ny distrika. Ny alakamisy 12 aogositra teo no nampitana io teny midina io tamin’ny olona voakasik’izany mivantana. Mipoitra izao taorian’ny rodobe nataon’ny ekipan’ny kaominina tamin’ny fisantarana ny tapabolan’ny fahadiovana tao amin’ny fokontany Atsimotsena ny fiandohan’ny herinandro lasa iny. Io rahateo koa no fisehoana imasom-baoaka voalohany nataon’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy eo anivon’ny Kaominina Antsirabe I, taorian’ny resabe an-gazety nilaza fa nametra-pialana ireo mpiara-miasa akaiky taminy, ary hosoloina PDS ny Ben’ny tanàna. Mikasika ity fanerena hametra-pialana ity dia azo antoka, na tsy voamarina aza ny vaovao, fa fandavana no nasetrin-dRtoa Ben’ny tanàna azy. Izy rahateo olom-boafidy, ka tsy handiso fanantenana na hitsipaka ny fitokisan’ny vahoak’Antsirabe izay nisafidy azy ho amin’izany toerana izany taorian’ny latsabato miafina natao ny alahady 12 desambra 2007.
Ny Tiako i Madagasikara, antoko naorin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, no nanolotra azy ho kandida ho amin’ny toerana. Izao fitondrana FAT izao moa raha tonga dia tsy nanome hasina velively ny safidim-bahoaka ka dia izao mikiribiby hanao izay hanoloana PDS ireo Ben’ny tanàna amin’ny kaominina samihafa manerana ny Nosy izao. Natombony teto Antananarivo izany, nametrahana an’i Edgard Razafindravahy, nandalo an’i Fianarantsoa nanomezana fahefana an’i Pety Rakotoniaina, nitohy tao Manakara, nametrahana amboletra an’i Sileny Alban, nitohy tao Toamasina I, nanaovana ankisisika ny fametrahana an-dRakotovao Mariot. Tsy ho lavitr’izany koa no hitranga ao Moramanga toarian’ny nampidirana am-ponja an’i Ezéchiel Solofo Ben’ny tanàna tompon-toerana izay nanda ny hiditra ho mpikambana TGV na teo aza ny fanerena ankolaka samihafa. Novidiany lafo moa izany satria dia famonjana no niafarany. Dia izao mitady hirika mafy ao Antsirabe izao indray. F’izay no heverin’ny FAT hampisy fitoniana politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Re anefa fa mihemotra hatrany ireo izay notendrena ho amin’ity toeran’ny PDS Antsirabe ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.