Politique

Antsirabe Nord - Fifidianana ben’ny tanŕna Efa misy ireo manomana olona ho amin’izany


  • Alakamisy 30 Septambra 2010


Hiatrika ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna ny Malagasy atsy ho atsy. Efa misy sahady ireo Kaominina izay miomana amin’izany, anisan’ireny ny any Antsirabe Nord, izay any amin’ny distrikan’i Vohémar. Ny faran’ny herinandro teo ary, dia nisy ny fivorian’ireo sokajin’olona samihafa izay teo ambany fiahian’ireo raiamandreny to teny eo an-tanàna, izay antsoina hoe Tangalamena. Tanjona tamin’ity fivoriana ity moa ny haminavinana izay olona tokony harotsaka ho Ben’ny tanàna.

Nambaran’ireo mpikarakara ity fivoriana ity moa fa anisan’ireo kaominina izay tara aoriana ity kaominin’Antsirabe Nord ity, ka izany no tena ifantenana izay olona tokony hampandroso ny tanàna.
Etsy an-danin’izay, dia hita ho tsy misy mpiresaka firy io fifidianana Ben’ny tanàna io raha tsy ireo izay akaikin’ny fitondrana ihany. Ho an’ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana, dia mahita izy ireo fa mbola fitondrana ny firenena any amin’ny savorovoro ihany ny firesahana io fifidianana Ben’ny tanàna io, ary mbola fanapahan-kevitr’olon-tokana ihany.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT