Politique

Antsirabe Nijoro ireo tanora hiaro an-dRavalomanana


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011


 Nijoro ny alakamisy 04 aogositra teo ao Antsirabe ny Vondron’ny Tanora legalista Antsirabe. Avy amin’ireo fikambanana samihafa manohana ny filoha Marc Ravalomanana ity vondrona tanora ity ka anisan’ny antom-pijoroan’izy ireo ny fanomanana ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fiarovana azy amin’izay fiverenany an-tanindrazana izay. Nampahafantarina ireo mpitolona tao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy teo moa ny fijoroan’ity Vondron’ny tanora legalista ity izay tsiahivina ihany fa Tanora avy amin’ireo fikambanana toy ny Solva, TIM, TAFA… Mbola miantso ireo tanora hafa vonona ny hanatevin-daharana azy moa izy ireo.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT