Politique

Antsirabe Nanambatra ny heriny ny Legalista


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika notontosaina tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny Sabotsy 16 oktobra lasa teo, hetsika efa fanaon’ny Legalista mitaky ny hiverenan’ny ara-dalàna ao Antsirabe izy ity ary tsy hoe nitsahatra akory izy teo aloha fa nisy ny lamina nataon’ireo mpitarika ary dia izao niverina tamin’ny heriny izao indray.

Vory marobe ireo mpitaky ny ara-dalàna notarihin’ny Solombavambahoaka, Rakotomiandrisoa Jean Ernest avy amin’ny TIM, notronin’ireo avy amin’ny MFM nahitana an’Atoa Mbahiny sy ireo mpitarika mafana fo ao an-tanànan’Antsirabe. Nafana ny fanentanana ary dia nazava ny resaka fa ho an’Antsirabe dia toy ny tsy misy io fifidianana kasain’ny FAT hotanterahina io. Antony maro moa no voalazan’ireo mpandahateny ho mahatonga an’izay, dia ny tsy mbola fankatoavan’ny Vondrona iraisam-pirenena ny fanomanana mandeha ila ka tsy ahafahana mahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena, tsy fisian’ny lalam-pifidianana mazava, ny tsy fahatomombanan’ny fanomanana io fifidianana io, indrindra moa ny mahakasika ny lalàmpanorenana izay iantsoana ny mpifidy izay toa mihinana am-bolony ihany sy toa fitahina mihitsy aza handany ny ENY.

Nilaza ny depiote Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa tsy ekena ny fanaovana petatoko ny raharaham-pirenena, atao “tip top” fotsiny ny fiainam-bahoaka raha ny zava-misy amin’izao fotoana. Manenjika mamono afo fotsiny ny fanjakana amin’ireo fitakiana maro etsy sy eroa, ary lazaina fa tsy fitadiavana tombontsoa ny fotoanan’ny tetezamita nefa ny an’ireo mpitondra sy ny manodidina azy midangana dia midangana ny tombontsoany, hoy izy. Notsindriany mafy moa tamin’ity fihaonana ity fa tsy mitaona ny olona hifidy ny ENY na koa hanao ny TSIA na tsy handeha hifidy no natao tao amin’ny Magro Avaratsena fa fanazavana ny zava-misy eto Madagasikara fotsiny ihany ary tsy misy afa tsy ny fiaraha-mitantana ihany no vahaolana. Nohazavaina tao koa fa tsy misy miaraka amin-dRaharinaivo ny Parlemanteran’i Vakinankaratra na dia nisy aza ny tsaho naely fa nisy nivadika izy ireo. Efa naseho ny mpikambana TIM tao amin’ny Centre Diantana avokoa moa ireo Parlemantera rehetra ao Vakinankaratra ireo nandritra ilay fihaonamben’ny Antoko natao ny sabotsy 09 septambra teo. Hitohy ny hetsika ny talata izao ka inoana fa mbola ho tonga maro ny vahoaka amin’io.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT