Feno hipoka indray ny kianjan'ny Magro Avaratsena ny sabotsy 08 desambra 2012 teo noho ny antso natao fa hisy ny vaovao lehibe hambaran'ny filoha Marc Ravalomanana tamin'io fotoana io mahakasika ny fivoriana tany Dar es Salam nataon'ny vondrona SADC.
Nisy tokoa ny fidirana fohy tamin’ny antso an-tariby nataon'ny filoha Ravalomanana tamin'io fotoana io ka nilazany fa betsaka ny fanantenana ka aza matahotra, hoy izy satria miroso amin'ny tokony ho izy ny resaka hatramin'izao. Taorian'izay dia ny minisitry ny Varotra Ramalason Olga no nanohy ny fotoana ka nilazany fa tsy mahalala afa tsy ny filoha efa voafidim-bahoaka dia i Marc Ravalomanana ihany Antsirabe, ka na iza na iza manao fampielezan-kevitra alohan'ny fotoana dia vao mainka mampiakatra ny fitiavan'ny olona ny filoha Marc Ravalomanana izany.
Nambarany fa tsy ny kianjan'Antsonjombe sy ny kianjan'ny Maki no ilain'ny vahoaka izay miaina anaty fahasahiranana tanteraka amin'izao fotoana fa ny fanohanana azy amin'ny lafiny fivelomany toy ny fiompiana sy fambolena izay miantraika mivantana aminy amin'izao krizy novolen'ny sasany izao. Tsy izay kifetifety no hamiliana ny safidin'ny olona ka tsy ahitany ny asa ratsy atao akory. Ny olona matahotra ny tsy ho lany no mangalatra "départ", hoy Rtoa Ramalason Olga fa tsy ny filoha Marc Ravalomanana fa aleo hadio ny fifidianana dia ho hita eo. Nolazainy sy nohamafisin-dRtoa Ramalason Olga fa na samy ao anaty fitondrana aza dia izay hitondra fampandrosoana ho an'ny vahoaka ihany no ilofosan'ireo minisitra zanak’i Dada.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.