Politique

Antsirabe Maro ireo te handimby an’i Olga Ramalason


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Maro sahady no fantantra fa te hisolo ny toeran'ny Ben'ny tanŕna Olga Ramalason amin'izao fotoana izao.

Raha tsy misy fiovana tokoa mantsy dia ny 15 Novambra izao no mifarana ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an'izay maniry ho ben'ny tanàna. Raha ny ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra dia olona dimy no efa fantapantatra fa mety hiady izany toerana izany. Anisan'ny voalohany amin'izany Ingahy Berto izay efa nilatsaka matetika ihany ary mbola mpanolotsain'ny kaominina amin'izao fotoana izao, avy amin'ny Grad Iloafo moa izy. Eo ihany koa ny Dr Naina izay saika hilatsaka tamin'ny fikambanana "Miara-mirona"  an' ingahy lehiben'ny faritra saingy taorian'ny nandalovan'i Tantely Andrianarivo dia niova hevitra ka fantatra fa hilatsaka amin'ny anaran'ny Arema indray. Ankoatra izay dia ao izany Jeneraly misotro ronono tompona hotely lehibe ao Antsirabe saingy monina any Toamasina any aloha hatreto.

Eo ihany koa ny lehiben'ny CISCO Antsirabe I izay atolotry ny T.G.V araka ny heno ary ny farany dia ny fikambanana miara-mirona izay vao hitady kandida
hatolotra indray. Ny avy amin'ny TIM aloha dia tsy mbola nandrenesam-peo hatreto. Inoana fa mety hisy ihany izany.Mety mbola hitombo ireo isa ireo amin'ny ora farany satria mampisalasala ny maro ny tsy fahafantaran'ny ao amin'ny Distrika ny vola tokony haloan'ireo kandida, eny fa na ny CENI any an-toerana aza araka ny filazan'ny iray amin'ireo kandida ireo, dia tsy mahafantatra n'inon'inona mihitsy fa dia ny mandray ny antontan-taratasy ihany no ataony. Taratra amin'ny tsy fahalavorarian'ny fikarakarana ny fifidianana moa no andikan'ny maro ireo toe-javatra ireo ary dia porofo mitohoka amin’ ny tendany fa tsy hisy fifidianana mangarahara izany hokarakarain'ity fitondrana FAT ity.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT