Politique

Antomotra ny fifidianana Mampitovy tadin-dokanga ny Arema


  • Talata 29 Janoary 2013

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny antoko AREMA ny trano fonenan’ny minisitra Tabera Randriamanantsoa ny alahady 27 janoary 2013 teo.

 Teny Ambohibao tao an-tokantranon’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity no nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao ry zareo. Tonga marobe ireo mpikambana manerana ny Nosy eo anivon’ity antoko naorin’ny Amiraly Ratsiraka ity. Nandritra ny lanonana no nanaovan’izy ireo antso avo ho an’ireo mpitarika ny Arema mba hiray hina manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nambaran’ireo mpikatroka fa «Raha tiana ny hisian’ny fahombiazana sy fampandrosoana ny firenena dia tokony hanomboka ety anivon’ny antoko aloha ny fampihavanana».

Niara-niaiky izany koa ireo lohandohan’ny mpisorona teo anivon’ny AREMA, izay marihina fa tonga marobe teny an-toerana toy ny Minisitra Tabera, Minisitra Razafindehibe Etienne… notronin’ireo minisitra sy Loholona, solombavambahoaka ary Ambasadaoro tamin’ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka, teo ihany koa ireo CST, CT amin’izao fitondrana tetezamita izao. Nambaran’ny CST Vaovao Benjamin fa «efa mandeha ny fifampidinihana rehetra mahakasika ny fampivondronana ny antoko amin’izao fotoana izao satria takian’ny vanim-potoana ankehitriny izany». Marihina moa fa tonga nanome voninahitra izao fotona izao Atoa Pierrot Rajaonarivelo, ka tamin’izany no nanaovany firariantsoa ho an’ny mpikambana Arema rehetra manerana ny Nosy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT