Politique

Antoko VAMI Mitaky fifidianana lalàmpanorenana


  • Zoma 14 Aprily 2017

Akaiky ny fifidianana amin’ny 2018, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko VAMI, Gaby Vakiniadiana.

 Raha hanao ihany, tsy aleo ve ny fototra dia ny lalàmpanorenana no fidiana mialoha ? Efa iaraha-mahita fa ny rafitra misy mihitsy no manitsakitsaka ampahibemaso ny lalàmpanorenana. Ny Loholon’i Madagasikara mihitsy no hita miaro mivantana ary mitondra “gros bras” anaty rafitra iray dia ny Bianco. Ny depiote mivory koa misy ampahany miaro ny mpanao ratsy. Na ny minisitry ny fitsarana aza dia manome baiko amoahana azy. Ny olon-drehetra anefa, hoy hatrany ny VAMI dia samy ambany lalàna. Nisy olona voasambotry ny polisy na Bianco nihoatra ny 48 ora ny nitazonana azy fa tsy nanome baiko toy izao ny minisitra. Niaraha-naheno koa ny fanambaran’ny sendikan’ny mpitsara izay nilaza fa fandosirana sy firaisana tsikombakomba amin’olona voarohirohy izay nahatafiditra tomponandraiki-panjakana no dikan’ireny zava-nitranga ny alatsinainy teo ireny. Mangataka ireo depiote handray ny andraikiny, hoy hatrany izy, fa raha tsy izany dia manan-jo ho eny amin’ny arabe koa ny vahoaka hitaky ny fanovana io rafitra natao hiarovan’olona io.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT