Mihetsiketsika fatratra ny sampana antoko TIM manerana ny nosy amin’ny fanentanana ny mpikambana ao aminy ankehitriny.
Ho an’ny TIM eo anivon’ny boriborintany faha-2 eto Antananarivo Renivohitra, ohatra, dia manezaka amin’ny fanentanana ireo mpikambana ao aminy hanolo ny karatra maha-mpikambana ny DISTIM tarihan’ny filohany Randriamalala Dera izay efa nirosoan’ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hatramin’ny volana desambra 2016, ka tamin’ny sabotsy 10 jona teo dia mpikambana niisa 11 mpikambana FOKOTIM 2è no nahazo ny anjara karany maimaimpoana avy amin’ity rafitra ity.
Ho an-dry zareo TIM any Atsimo Andrefana kosa dia miezaka manangana ny rafitra “JEUNE TIM” manerana ny fokontany samihafa ao Toliara I, toy ny ao Tongobory sy Antanimora ary ao Anketraka izay hotanterahina anio talata 20 jona raha amin’ny alahady ho avy izao kosa no hananganana ny birao ao amin’ny fokontanin’i Betania, Sans Fil ary Tanambao I, rehefa nahatafatsangana ny “JEUNE TIM” Toliara I foibe tamin’ny 3 jona lasa teo ry zareo. Nambaran’Atoa Sazalahy Tsianihy mpitarika ny REGTIM Atsimo Andrefana fa tafiditra ao anatin’ny fananganana ifotony amin’ny endriny vaovao ny antoko izao ataon-dry zareo izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.