Politique

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Tambatra, tarihin’i Pety Rakotoniaina.

 

Eo anatrehan’ny adihevitra mahakasika ny fifidianana 2018. Milaza ity antoko ity fa rafitra lalàmpanorenana natao ho an’ny tombontsoan’ny  mpitondra nifandimby no nisy hatramin’izao fa tsy natao hampandrosoana ny firenena, ny faritany, ny olona tsirairay, ka tsy maintsy hovaina. Manaporofo izany ny fionganan’ny fitondrana matetitetika niteraka krizy nahapotika ny firenena. Tsy noraisin’ireo mpitondra mihitsy ny hevitry ny olona nivoaka tamin’ny fihaonambem-paritra na fihaonambem-pirenena fa nataony fitaovana handiovany ny zavatra efa nomaniny mialoha fotsiny. Lalàmpanorenana mampivangongo ny fahefana amin’ny filohan’ny Repoblika, sarintsarim-pitsinjaram-pahefana, mampiankin-doha ny fitsarana sy ny sampandraharah mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny filohan’ny repoblika, kanefa izy no mitantana ny vola be indrindra amin’ny tetibolam-panjakana. Mametraka sarintsarim-pahalalahan’ny olo-pirenena, ny antoko mpanohitra, ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena maneho hevitra sy manara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana no iainana ary porofo ny figadran’ny mpanohitra sy tsy fahafahay mamory olona. Ireo fomba fanao ratsy ireo no mbola tian’ny olona sasany hiverina hotohizana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT