Ny nanovana ny didim-pitondrana tamin’ny taona 1973 izay misy andininy 3 dia ny andininy 012, 013 ary 014, hoy ny filohan’ny antoko TAnora Malagasy MIroso (TAMAMI), Samihary Floriot, no fototry ny olana eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Io didy io, no novain’ny jeneraly Ramanantsoa tamin’ny fotoan’androny, mba hanesorana ny atao hoe “budget centralisé par provinces” na ny tetibola natao hampihodina ny raharaha isam-paritany ka antony tsy mampandeha intsony ny raharaha eto amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavany. Maninona raha io didy io no haverina amin’ny laoniny dia mivaha ny ankamaroan’ny olana, hoy izy. Na efa misy aza mantsy ilay famatsiam-bola natao hampandrosoana ireo kaominina na CLD dia tsy mahagaga raha tsy dia misy loatra ny fiovana satria mitontona aty amin’ny fanjakana foibe daholo ny hetra rehetra. Mila avela hahaleontena ireo faritra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.