Politique

Antoko TAMAMI Mivoy ny “Malagasy Miray Feo” koa


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Miaiky ny Tanora Malagasy Miroso (TAMAMI), tarihin’ny filohany Samihary Floriot omaly fa mandia lalan-tsarotra ny firenena ankehitriny.

Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana dia ny fanatanterahana ny fifidianana lalàmpanorenana vaovao, lalampanorenana mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka fa tsy manome rariny ny vahiny sy ny mpangoron-karena. Milaza ny handeha hitety faritra izy ireo ato ho ato hivoy ny hetsika “Malagasy Miray Feo”, handresen-dahatra ny vahoaka sy hampahafantarana azy ny antony mahatsara ny fanatanterahana ny fifidianana lalàmpanorenana vaovao, mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena. Izay no vahaolana tsy hiverenan’ny krizy sy ny olana sedrain’ny firenena intsony, hoy i Samihary Floriot. Nanambara moa izy ireo fa ny Fanjakana no hanatanteraka ny fifidianana lalàmpanorenana rehefa hitany fa maro an’isa ireo vahoaka resy lahatra amin’izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT