Politique

ANTOKO TAMAMI Mitaky ny handravana ireo andrim-panjakana roa


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Mitaky ny handravana ireo andrim-panjakana roa misy eto amintsika ny filoha nasionalin’ny antoko politika Tanora Malagasy Miroso na ny TAMAMI tarihin’Andriamatoa Samihary Floriot.

 

 Aminy, efa tena latsa-paka ny fahasahiranan’ny filoha ankehitriny nefa toa tsy misy miteny izy ireo na dia kely monja aza. Toy ny miantehitra amin’ny hazo boboka ny filoham-pirenena miankina amin’ireo, hoy hatrany izy. Ankoatra izay dia nanambara ny ezaka efa nataony mba hanafoanana ny fidinana an-dalambe kasain’ny fikambanana AFP tanterahina anio ihany koa ny tenany. Nambarany  fa tsy nety nihaona taminy hatramin’ny ora farany  Andriamatoa Faniry na dia efa nisy aza ny fotoana nifanomezan’izy ireo. Ho an’ny filoham-pirenena manokana dia miantso azy hahay hihaino ny vahoaka ny filoha nasionalin’ny TAMAMI. Toraka izany koa ireo mpiara-miasa aminy izay tokony hanokatra ny varavarana hahafahan’ny roa tonta mihaona. Efa iray volana sy tapany mantsy izao no nangataka fihaonana taminy ity antoko politika iray ity saingy tsy nisy valiny izany hatramin’ny omaly. Nanambara moa Andriamatoa Samihary Floriot fa ny fanovana ny lalàmpanorenana ihany no vahaolana fototra hahafaha-mivoaka amin’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao noho izany miantso ny vahoaka ho tonga eny Mahamasina ny tenany ny 27 Aogositra ho avy izao hahafahana manatanteraka izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT