Politique

Antoko RPSD Vonona handray anjara amin’ny fifidianana hisesy


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011


 Anisan’ireo fehin-kevitra nivoitra nandritra ny filankevitra nasionaly nataon’ny antoko RPSD tao Manakara ny zoma 29 jolay lasa teo izay fandraisana anjara amin’ny fifidianana izay. Fehin-kevitra noraisina taorian’ny asam-baomiera natao ny tontolo andron’io zoma io tao amin’ny SIDI Hotel izay nifamotoanan’ireo mpizaika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Niverimberina nandritra izany fa antoko velona ary misandrahaka manerana ny Nosy ny RPSD, anisan’ny antoko manaja ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna fehizoro mifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Nitarika ity filankevitra nasionaly ity moa ny Filoha nasionalin’ny antoko, Marson Evariste sy ny Sekretera jeneraliny Andriatsizehena Benja Urbain, notronin’ireo mambra ny birao politika maro niaraka tamin’ireo Parlemantera RPSD.

 

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT