Naresaka ny tanànan’Antsohihy iray vohitra ny faran’ny herinandro teo iny, nampiantrano ny ny kongresy nasionalin’ny antoko PSD (Parti Social Démocrate), izay antokon-drazana naorin’Itompokolahy Philbert Tsiranana.
Nakotroka ny karnavaly namakivaky ny tanàna nataon'ireo mpizaika roa arivo mahery avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy, izay nampiseho avy hatrany fa afaka mifampitady tsara amin’ireo antoko milaza fa hanana kandida amin’ny fifidianana izay ho avy eo ny Pisodia. ho lasa lavitra ity Antoko PSD ity raha izao no fandehany hoy ireo mpitazana noho ny fahitana ireo olona an'arivony. Lanin'ny mpizaika rehetra ho filoha nasionaly vaovaon’ny antoko PSD Rtoa Ruffine Tsiranana, minisitry ny fitsinjaram-pahefana ankehitriny.
Araka ny satan’ny antoko dia manendry mivantana filoha lefitra roa izy, ka voatendry ho filoha lefitra nasionaly misahana ny fandraharahana ankapobeny Atoa Saidibary Fidel, filoha lefitra nasionaly misahana ny fitantanam-bola ankapobeny kosa Atoa Jaosera Irenée. Ity farany izay tsy iza fa Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana amperinasa. Tsiahivina fa nametra-pialana amin'ny maha filoha mpanatanteraka nasionaly azy Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, rehefa nitana io andraikitra io nanomboka ny 23 Aogostra 2012 teo. Nofidian’ireo mpizaika nivantana nandritra io kongresin’ny antoko io koa ireo filoha lefitra isaky ny faritany.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.