Nametra-pialana tsy ho mpitarika ny antoko PSD (Parti Social Démocrate) i Fetison Rakoto Andrianirina, rehefa nanaiky napetraka hitantana ity antoko naorin’i Philibert Tsiranana ity, nanomboka ny 23 aogositra 2012.
Efa-bolana aty aoriana, niova ny fanapahan-keviny. Ny zoma 14 desambra, nandritra ny kongresin’ny antoko notanterahina tao Antsohihy no nanambarany ampahibemaso, teo anatrehan-dRtoa Tsiranana Ruffine, Sekretera jeneralin’ny antoko, ny birao nasionaly ary ny mpizaika maro fa hiala izy. “Ezaka maro no miandry antsika rehetra mpiara-mitolona raha tiana ny hanangana Madagasikara mendrika, hiadanan’ny mponina ao aminy sy ho fakantahaka ho an’izao tontolo izao. Fanamby lehibe noraisintsika rehetra tsy am-pihambahambana izany ary mampiseho ny fahavononantsika hiroso ka tsy hihemotra izao fahatongavantsika marobe eto izao. Ny faniriako dia ho afaka hiasa am-pahatoniana sy am-pilaminana ny antoko PSD, ka hanatanteraka ny andraikitra izay efa nofaritany tsy misy romoromo tahaka izay niainantsika tato ho ato izay mikasika ny tsy fitoviam-pijery na eo amin’ny samy fianakaviana na eo amin’ny samy mpiara-mitolona. Ny fiaraha-miasa ankitsmi-po no ho fototry ny fahombiazana, koa manoloana ny zava-misy iainantsika amin’izao fotoana izao dia tsapako fa mahatsara kokoa ny antoko ary manosika azy bebe kokoa hiroso lalindalina amin’ny andraikiny ny fialako tsy ho mpitarika ny Antoko intsony”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina tany Antsohihy.
Niteraka savorovoro, saika nitarika fivakisana mihitsy moa ny nanendren-dRtoa Ruffine Tsiranana Sekretera jeneralin’ity antoko, an’i Fetison Rakoto Andrianirina ho filoha nasionalin’ny PSD. Raha nanao iny kongresy tany Antsohihy ny antoko, dia nanao fampitam-baovao mampahafantatra ny mpikambana koa ny tarik’i Philippe Tsiranana, zanak’i Philibert Tsiranana filoha mpanorina ny PSD fa manomana kongresy hatao eto Antananarivo. Nilaza moa i Fetison fa tsy fialana andraikitra no nandraisany io fanapahan-kevitra io, fanapahan-kevitra izay nahazo ny tsodranon’ny Sekretera jeneraly.
Am-polony taona maro no nijoroan’ity antoko ity, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianirina ary dia mbola velona ny Antoko ary mbola vonona ny hiasa hampandroso an’i Madagasikara sy hanarina izay rehetra lesoka nahatonga izao krizy izao. Ny volana aogositra lasa teo, ohatra, no namaritana ny jery vina sy ireo andry iankinan’ny antoko mba hitondrana miaraka ny fampandrosoana manaja ny maha olona eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanajana ny demokrasia, ny maha olona, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fanomezana asa ny mponina, ny fampiroboroboana ny asa fiompiana sy fambolena, ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ary ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.