Politique

Antoko PSD Hifanalabaraka imasom-bahoaka


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Mizara roa ny antoko PSD hatramin’ny nametrahan’i Tsiranana Ruffine an’i Fetison Rakoto Andrianirina ho filohany.

 Efa naneho hevitra ampahibemaso ny fitsipahany marindrano izany anefa ireo zanaka mirahalahin’i Tsiranana Philbert, filoha mpanorina ny antoko, dia i Philippe sy i Pierre na dia tsy mpikambana PSD aza ity farany. Misy amin’ireo raimandreny sasany koa mitovy hevitra amin’izy ireo raha tsy hilaza afa-tsy ny pastera Tehindrazanarivelo. Ho vaky ambatolampy tanteraka amin’izay ity disadisa ity satria hanatanteraka kongresy nasionaly hotanterahana eto Antananarivo tsy ho ela ny antoko.

Ny ekipan’i Tsiranana Philippe sy Ramaroson Franck no namoaka fanambarana momba izany izay miantso ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy hifampilaza.Voalaza ao anatin’ilay fanambarana koa fa hisy tomponandraikitra “Pisodia” mpiara-dia amin’i Philippe Tsiranana hifandray amin’ny mpikambana rehetra hanomana ilay kongresy nasionaly. Araka izany dia sady tsy mpandefa sy mpanasonia ity fanambarana ity amin’ny anaran’ny antoko i Fetison Rakoto Andrianirina izay voalaza fa filohany ankehitriny no tsy voaresaka na kely akory aza ao anatiny ny tenany. Fitondrana fanazavana ireo hevitra voizin'ny antoko PSD ho fanarenana ny tanindrazana amin'ny alalan'ny teny filamatsika "Asa fa tsy kabary”, fa tsy ny fanaovana ronono an-tavy sy kabary tsara lahatra io kongresy io raha ny fanazavana ihany. Etsy ankilany anefa dia fantatra fa hanatanteraka kongresy nasionaly any Antsohihy ny PDS miaraka amin’i Fetison Rakoto Andrianirina sy i Tsiranana Ruffine ny 14 sy 15 desambra ho avy izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT