Politique

Antoko politika Teraka koa ny FIASA


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Niampy iray indray ny antoko politika misy eto Madagasikara

Teraka koa ny FIASA na ny Finoana Arahina aSA, tarihin-dRazafimahatratra Valisoa, mpisolovava. Miara-mizotra no fikambanana niantombohan’ny FIASA teny am-piandohana tamin’ny taona 2008, fikambanana miankina amin’ny finoana katolika. Niompana tamin’ny famolavolana ho olom-pirenena vanona ny andraikitra nosahaniny tamin’izany fotoana saingy mba hahafahana manitatra izany sy hizaran’ny fikambanana ny traikefany amin’ny mpiara-belona dia roso amin’ny fidirana an-tsehatra mikasika ny raharaham-pirenena izy ireo ankehitriny. Manana ny foto-kevitra ijoroany mazava ny fikambanana, araka ny fanazavan’ny filohany no sady manana ilay vinam-piarahamonina hitondrana an’i Madagasikara ato anatin’ny 30 taona ho avy. Hitondra ny fomba fijery amin’ny fanaovana politika vaovao izy ireo ao anatin’izany toy ny tsy fijerena firehana izay antony iray maha mpanohitra ny antoko politika iray na tsia. Ho an’ity antoko ity mantsy dia ny foto-kevitra no maha mpanohitra na tsia fa tsy firehana. Solontenan’antoko politika maro no tonga nanotrona ny fampahafantarana ny fijoroan’ny antoko FIASA tetsy amin’ny Motel Anosy omaly.

Pati

sary : Razafimahatratra Valisoa, filoha nasionalin’ny FIASA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT