Politique

Antoko politika A.FA.BE Ho kandidŕ solombavambahoaka i Doudou Michel


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Noho ny antony samihafa dia tsy anisan’ireo filohana antoko politika voatendry ho mpikambana ao amin’ny parlemantera misy ankehitriny (CST sy CT) ny filohan’ny antoko politika A.FA.BE (Asa FAnabezazana ho an’ny BEsinimaro) Atoa Andriamparany Doudou Michel.

 Nanambara mazava anefa ny tenany, raha nitafa fohy tamin’ny Tia Tanindrazana, fa anisan’ireo ho kandidà amin’ny fifidianana izay ho solombavambahoaka voalohany amin’ny Repoblika faha-4 (ao Atsimondrano) ary efa vonona amin’izany. Azo eritreretina koa, hoy izy, ny handrotsahan’ny A.FA.BE kandidà amin’ny fifidianana hafa toy ny Ben’ny tanàna … nefa dia tsy maintsy asiam-pandinihana misimisy kokoa ny amin’izany. Fanaovana asa soa teny anivon’ny mpiara-monina moa no niantombohan’ity A.FA.BE ity. «Association Familiale de Besarety» no anarany tany am-boalohany ka asa soa tao amin’ny Boriborintany faha-3 teto an-drenivohitra no nimasoany. Ankehitriny, misandrahaka manerana ny Nosy ny fanaovana asa soa ka fizarana masomboly apemba na sorgho any amin’ny toerana 27 izao no himasoany, ka ny 10 tamin’ireo toerana ireo no efa nahazo ny anjarany. Nambaran’i Doudou Michel fa vao avy nizara fanomezana manokana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny fivondronan’Atsimondrano misy ny foiben-toeran’ny antoko ry zareo ka notolorana izany avokoa na ireo mpianatra mendrika fa nahazo ny laharana voalohany, na ireo mpianatra tsy nahomby koa aza mba ho fampirisihana azy ireo amin’ny taona ho avy.

 

Manohy

 

SARY : Andriamparany Doudou Michel filohan’ny A.FA.BE

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT