Politique

Antoko politika 47 no niforona tato anatin’ny krizy


  • Alakamisy 16 Septambra 2010


Mitombo izay tsy izy ny isan’ny antoko politika eto Madagasikara. Raha ny fanisana farany tamin’iny volana aogositra 2010 dia miisa 240 izy ireo. Ny 47 amin’ireo dia niforona tato anatin’ny krizy avokoa, teo anelanelan’ny jona 2009 ka hatramin’ny aogositra 2010 no marimarina kokoa. Amin’ireo 47 ireo indray dia teo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra, izany hoe tao anatin’ny hadimiana, dia nisy antoko 18 no indray nijoro. Anisan’izany ny “Ezaka Nasionaly Iarahana (E.N.INA)” tarihin’ny Pr Tehindrazanarivelo Alain Djacoba, praiministra lefitra nisahana ny fahasalamana tao amin’ny governemanta Roindefo. Ny 20 aogositra 2010 no voarakitra an-tsoratra ara-dalàna araka ny 2960-MI/SG/DGAT/DAP/SLP/PP. ny maha antoko azy. Toy izany koa ny “Inty Tanindrazana Ombonana Tsy Ambidy na Atakalo Liam-pivoarana (ITO.T.A.A.L)” tarihin’i Zakahely Boniface nijoro ny 23 aogositra 2010 araka ny fitanana an-tsoratra 2999-MI/SG/DGAT/DAP/SLP/PP teo anivon’ny ministeran’ny atitany. Fikambanana politika teo aloha koa ny sasany amin’ireo 47 ireo no niofo ho antoko manana rafitra ara-dalàna toy ny Fiaraha-mientan’ny Asa Vita Ifampitsarana (AVI) tarihin’i Norbert Lala Ratsirahonana sy ny Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihin’i Roland Ratsiraka fa vao tamin’ity taona ity no manana satan’antoko politika tanteraka. Ny 13 aprily 2010 ho an’itsy voalohany, taorian’ny nanaovany kongresy nasionaly faharoa, 12 taona taorian’ny nijoroany. Ny 11 martsa 2010 kosa ho an’ny MTS. Tsy tafiditra ao anatin’io kosa ny TGV an’i Andry Rajoelina. Miandry kongresy ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT