Tsy mahafoy ny fanjanahantany ny mpitondra ankehitriny, raha ny fanazavan’ny filohan’ny antoko otrikafo, Rajaonah Andrianjaka, tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy omaly.
Efa tamin’ny 1947 no nandoro ny tranon’ny Malagasy ny miaramilan’ny mpanjanaka ary dia mbola izay fomba izay ihany no hampiharin’ny polisy ankehitriny, araka ny hita tany Befandriana avaratra farany teo. Fomba fanao maloto efa hatramin’izay io, hoy izy, satria tamin’ny tetezamita koa efa nisy izay fandoroana tranona Malagasy izay ary nody nolazaina hoe tranona dahalo ilay izy. Ny tsy fanamelohan’ny filoham-pirenena ny polisy noho iny tranga niseho tany Befandriana iny, araka izany, dia midika fankatoavana ny fomba fanaon’ny mpanjanaka ka tsy misy dikany ny fanesorana ny minisitry ny filaminana anatiny, Anandra Norbert, amin’ny toerany fa ny filoham-pirenena sy ny governemanta iray manontolo mihitsy no mila mametra-pialana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.