Nijolofotra ny famoriam-bahoaka voalohany nataon’ny antoko Otrikafo tamin’ity taona ity tetsy amin’ny foibeny etsy Andravoahangy omaly.
Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo olona namaly ny antso izay nataon’izy ireo ny alatsinainy teo. Raha tsiahivina dia antso ho an’ny vahoaka tia tanindrazana rehetra mba handray ny andraikiny manoloana ny afitsoky ny fitondrana ankehitriny no nataon’ny antoko. Nosokajian’izy ireo ho zava-doza nihoatra ny loha ka tokony hametrahan’ny mpitondra fialana ny doro trano nitranga tany Befandriana izay mbola mahoraka mandrak’ankehitriny. Mahakivy, hoy ny filohan’ny antoko, Rajaonah Andrianjaka, ny havitsian’ny olona tonga kanefa dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny fidinana an-dalambe ihany no vahaolana amin’izao zava-mitranga izao. Tsy mety amintsika intsony ilay antsoina hoe “démocratie occidental” raha ny fanazavany satria dia ireo kandidàn’ireo mpanjanaka hatrany no ataony tonga eo amin’ny fitondrana. Ny tia tanindrazana dia sakanana tsy hilatsaka ho filoham-pirenena satria tsy hanana 50 tapitrisa hahafahany misoratra anarana. Miandry ny vahoaka ho vonona izahay, hoy izy, hanatanteraka demokrasia mivantana ary vonona hitarika izany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.