Politique

Antoko Monina Mila esorina haingana ny mpitondra tsy mahomby


  • Zoma 08 Febroary 2013

Raha ny tapakandro maraina ny lanonana fametraham-boninkazo nokarakarain’Ambohitsorohitra ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny 07 febroary 2009 dia ny tolakandro tahaka ny mahazatra kosa no nanao rodobe teny an-toerana ny Monima.

 Tsy eto an-toerana fa mamita iraka any Parisy sy Londres i Monja Roindefo ka Rtoa Monja Sylvie, vadiny, niaraka tami-dRabearimanana Gabriel, Sekretera jeneralin’ny antoko no namita ny adidiny teny Ambohitsorohitra omaly notrononin’ireo Parlemantera avy amin’ ny Monima. Nilaza ny laharana faharoa ao amin’ny Monima fa tsy tratra ny tanjona tamin’ny nanaovana ny tolona ary ny zavatra nokasaina hovana aza mbola tohizan’ny FAT. “Mitohy ny tolona noho izany fa tsy avela ho raraka an-tany ny ran’ireo maritiora mba hiadanan’ny ambanilanitra”, hoy izy. Nomarihany ny fahantran’ny vahoaka izay vao mainka miha fadiranovana satria raha 70%-n’ny Malagasy no nahantra tamin’ny andron-dRavalomanana, hoy Rabearimanana Gabriel dia mihoatra ny 80% izao. Mazava ny anton’ny fifidianana ho an-dry zareo dia ny fandroahana ny ekipan-dRajoelina eo amin’ny fitondrana izay nambarany fa “mila atao haingana ny fifidianana hanalana ireto mpitondra Tetezamita tsy mahomby ireto”. Na izany aza dia mankasitraka ilay fanemorana ny daty ry zareo raha toa ka ahatongavana amin’ny fifidianana madio ka hivoahana amin’ny krizy izany. Miarahaba ny CENI-T izay tsy nanaiky ny tsindry nataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny izay nikasa hanova ny laharan’ny fifidianana hatao koa ny Monima.

 
 Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT