Politique

Antoko Miombon’Ezaka Ilana fiomanana ny fakana fanjakana


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

«Tsy nisy nivoaka tamina antoko politika ireo rehetra nifandimby nitondra an’i Madagasikara», hoy ny Antoko Miombon’Ezaka (AME), tarihin’i Clément Ravalison.

 Lesoka amin’ny fitantanana ny firenena hatramin’izay izany, hoy ihany ny AME. Saika rehefa voafidy ireo filoham-pirenena izay vao nanangana antoko politika. Tsy manana vinam-piarahamonina mazava sy matipaika izy ireo ka miteraka krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Ilaina anefa ny fiomanana fakana fanjakana, izany rahateo no tanjon’ny antoko politika dia ny handray fahefana sy hitantana ny firenena, hoy ihany i Clément Ravalison. Ireo olona mitovy firehan-kevitra amina vinam-piarahamonina no mivondrona anaty antoko politika, hoy izy, ka ireo mpikambana ao ireo no miezaka mivoy sy manaparitaka ny heviny. Raha ny zava-misy eto amintsika ihany dia ambaran’ny AME fa tsy ampy ny fandraisan’ireo antoko politika andraikitra. Tsy tokony ho amin’ny fifidianana ihany, hoy ihany ity mpanao politika ity no handray anjara ny antoko politika. Safidy ara- poto-kevitra ny manao politika fa tsy olona no harahina, hoy ihany i Clément Ravalison ka mila hanana ny azy ny olom- pirenena tsirairay.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT