Politique

Antoko Miombon’Ezaka Foanana ny toeran’ny praiminisitra


  • Zoma 04 Jona 2010

Araka ny hevitry ny antoko miombon’ezaka (AME) izay tarihan’i Clément Ravalisaona dia tsy tokony hisy praiminisitra intsony ny fitondrana vaovao mijoro eto Madagasikara.

Filoham-pirenena dia ampian’ny filoha lefitra iray ary miara-miasa amin’ny minisitra, no endri-pitondrana hitan’ny AME fa mety kokoa amin’i Madagasikara sy ny Malagasy. Ny antony, araka ny fanazavan’i Clément Ravalisaona azy dia satria ilay filoham-pirenena izay mitantana no nampahafantatra sy nanazava tamin’ny vahoaka, nandritra ny propagandy ny fandaharan’asany, ka rariny loatra, hoy ihany izy, raha io filoham-pirenena io mivantana no miatrika ny solombavambahoaka hanao tatitra amin’ny asa vita sy tsy vita. Ny AME dia mieritreritra ihany koa fa tokony hofoanana ny Antenimierandoholona satria sady mandany vola no maha ela ny fandaniana ireo volavolan-dalàna. Hajoro kosa, araka ny hevitr’ity antoko ity ny filankevitra ekonomika sy sosialy ary ny tontolo iainana, hisolo toerana ny Antenimierandoholona amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka. Tsy maintsy arindra tsara koa ny tontolon’ny fanaovana politika ka tokony hapetraka mazava ny lalàna mifehy ny antoko politika, araka ny hevitry ny antoko miombon’ezaka. Ny zava-nisy hatrizay mantsy, araka ny fahitan’ny AME azy dia nanjakan’antoko tokana ny firenena, tsy manara-maso ny asan’ny governemanta akory ireo solombavambahoakan’ny antoko eo amin’ny fitondrana izay maro an’isa, fa manara-drenirano sy manaraka am-bokony fotsiny. Tsy mety intsony izany fa tokony hiova amin’izay ao anatin’ny Repoblika faha-4, araka ny soso-kevitra natolotry ny AME teny amin’ny CCC na Komity fakan-kevitra momba ny lalampanorenana teny Tsimbazaza omaly.  

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT