Politique

Antoko MFM Mila ovaina ny lalŕmpanorenana


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Manainga ny filohampirenena sy ny antenimierandoholona ary ny antenimierampirenena ny antoko Mpitolona ho an’ny fandrosoan’I Madagasikara (MFM) mba hanao fanitsiana ny lalŕmpanorenana misy ka hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka amin’ity taona ity,

araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha 162 ny fanandratana ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany. Io fitsinjaram-pahefana io, no fototry ny fitakiana misesisesy tamin’ny taonjato faha 20, hoy ny filohan’ny antoko, Manandafy Rakotoniriana, noho ny tsy fahitana fahafaham-po tamin’ny fampandehanan-draharaha miorina amin’ny faritany 6 tao anatin’ny fitondrana repoblikanina ka niteraka ny fametrahana ny faritra tao amin’ny lalàm-pirenen’ny repoblika fahatelo. Fironan’ny ankamaroan’ny mpanao politika sy ny mponina amin’izao fotoana izao io lalan-tsaim-pitsinjaram-pahefana io, raha ny fanazavana, saingy tsy mandry ny tany satria mandeha ny amboletra isan-karazany izay miteraka fitsaram-bahoaka.

Ny olom-boafidy no omen’ny olona hasina

Tokony olona fidian’ny fokonolona ao amin’ny fokontany, hoy ny filohan’ny MFM, no mitantana ny raharaha fa izany no fototra hanorenana ny filaminana eto hialana amin’ny fangalaran’omby sy ireny lavanilina ireny. Voalamina eny amin’ny fokontany izany, hoy izy, saingy ny zava-misy ankehitriny dia olom-boatendry daholo no mitondra ka tsy dia omen’ny olona hasina loatra. Tokony haverina, hoy ny antoko, ny filoham-paritra sy filoham-pokontany sy izay hery miainga avy eny ifotony rehetra fa hajanona amin’izay ity sefo fokontany sy sefom-paritra ity. Omena andraikitra mafonja koa ny sefo fokontany araka ny fepetra ao amin’ny andininy faha 53 ny fehezan-dalàn’ny paikady famaizana amin’ny fanatsarana ny soram-piankohonana, indrindra ny momban’ny fahaterahana, ny fanaovana isan’andro ny antotan’isa fa endriky ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fampanajana ny zon’olombelona izany. Nanamarika moa ny antoko MFM fa tsy miteny raha tsy efa manam-bahaolana toy izao.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT