Tsy azo hihodivirana intsony ny fifampiresahan’ny samy Malagasy amin’ny fanavotana ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ry zareo ao amin’ny antoko Marina novakian’ny mpandrindra nasionaliny, Ranaivoson Désiré, tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina omaly.
Tena mila fanovana lalim-paka ny firenena, hoy ny fanambarana nataon’ity antoko ity, fa mahantra olom-pirenena sy mpanao politika ary mpitondra manam-panahy. Raha tsy eo anefa ny olo-marina tsy hisy ny fiovana eto amintsika. Takian’ny Marina koa, araka io fanambarana io ihany, ny hanovana ny lisi-pifidianana miainga eny amin’ny fokontany tantanin’ny filoha voafidiny, ny fanavaozana ireo rafitra hitantana ny fifidianana, ny fandrafetana lalàna vaovao hifehy ireo fifidianana rehetra, ny famerana ny loharanom-bola tsy hitsabahan’ny vahiny hanatanterahana ny fifidianana mba hampangarahara azy ary ny fandrafetana lalàna amin’ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra. Nahadiso hatrizay ny fiheverana fa mpanohitra izay mandroso soso-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra, hoy ny Mazava, ary izahay tsy afaka hijery arina an-tavan’ny rahalahy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.