Politique

Antoko MAMAFISOA Tany Anahidrano nahatsiaro ny filoha Philibert Tsiranana


  • Talata 29 Jona 2010

Andro lehibe ho an’ny Malagasy ny 26 jona izay natokana ho fankalazana ny fitsingerenan’ny taona nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantenany.

Nandritra ny fankalazana ity faha-50 taonan’ny Fahaleovantena ity ary dia tonga nitsidika ny kaominina Anahidrano, distrika Antsohihy, faritra Sofia, ny Delegasiona avy ao amin’ny birao foiben’ny antoko Mamafisoa (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina) izay tarihin-dRajemison Rakotomaharo, Masoivohon’i Madagasikara any Soisa sy Solontena Maharitra ao amin’ny Firenena Mikambana, ka ny mpandrindra nasionaly, ny Profesora Rakotonindrainy no nisolo tena azy tamin’izany izay notronin’ny Sojabe sy ireo Raiamandreny ary ny Ben’ny tanàna sy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana ny 26 jona 2010 teo. Nandritra io fitsidihana io no nametrahana fehezam-boninkazo tao amin’ny fasana ilevenan’i Philibert Tsiranana izay Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara voalohany sady Rain’ny Fahaleovantena. Noraisin’ny antoko Mamafisoa ho adidy lehibe àry ny fahatsiarovana ny Raiamandreny Filoha Philibert Tsiranana izay anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny fahafahan’ny Malagasy teo ambany ziogan’ny fanjanahantany tamin’ity jobilin’ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ity. Taorian’izay dia nisy ny fihaonana tamin’ireo mponina tao Anahidrano sy fanolorana omby iray ho nofon-kena mitam-pihavanana. Nisy ihany koa ny fanolorana lambahoany ho an’ireo fikambanana ao an-toerana ary fanampiana ireo tanora mpilalao baolina kitra ho fanatanterahana ny fifaninanana faha-50 taonan’ny Fahaleovantena.

Nihazo ny Kaominina Anjiamangirana ny delegasiona, ao no misy ny sekoly (EPP) nianaran’ny filoha Philibert Tsiranana izay mitondra ny anarany nanomboka ny 24 oktobra 1993. Araka ny tarigetran’ny Mamafisoa dia navoitra nandritra ireo fihaonana tamin’ny mponina sy ireo tompon’andraikitra samihafa ny maha zava-dehibe ny Fihavanana sy ny fanajana ny Soatoavina ao anatin’ny fiarahamonina hampandrosoana ny firenena.
Nifanojo tanteraka tamin’ny hetahetan’ireo nanatrika rahateo moa izany ka tafaray ny tia sy ny manina ary dia naneho fisaorana sy fankasitrahana ny delegasiona Mamafisoa izy ireo. Nampihetsi-po ireo mponina tao Anahidrano ny fihetsika toy izao izay tsy nanadino ny Filoha Philibert Tsiranana, Rain’ny fahaleovantena malagasy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT