Raha mbola misy ny Maitso, mbola misy ny fanantenana, hoy Atoa Georget Alexandre filohan’ny antoko politika Maitso Hasin’i
Madagasikara, ny sabotsy 20 mey teo teny amin’ny ANS Ampefiloha raha nitarika ny lanona fitsofan-drano an’ireo mpitarika ity antoko ity eny anivon’ny fokontany 44 ao amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo Renivohitra izy. Noho ny toe-javatra mitranga eto amin’ny firenena dia miainga eny ifotony manentana ny mpikambana ao aminy indray ny antoko Maitso tarihako, hoy Atoa Georget Alexandre, ka ireo Boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra no hanombohana izany, hotohizana any Vohémar, Antsiranana ary Androy tsy ho ela dia manerana ny nosy koa avy eo. Antoko tsy manam-pahavalo n’iza n’iza ny Maitso, hoy ity filohany ity. Mpikambana feno sy manana solontena mpitarika ao ami’ny FEVA Afrique sy ny Global Green’s ary ao amin’ny Armada ny antoko Maitso. Miray feo amin’ity fivondronan’antoko farany ity ny antoko Maitso ka hanolotra kandidà iraisany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy amin’ny 2018 nefa hatreto aloha tsy mbola voafaritra mazava tsara io kandidà iombonana io, hoy ihany Atoa Georget A lexandre.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.