Araka ny fanambarana nataony teo imason’ny mpanao gazety omaly dia niala tsy ho mpikambana eo anivon’ny antoko HVM intsony i Riribe na Rakotomalala Henri filohan’ny Fedep sy ny Gmt Toamasina.
Nanohana ny fitondrana ankehitriny foana izahay nandritra ny 2 taona nijoroany izay, hoy izy, ary nanantena fiovana sy fanovana amin-dry zareo mpitondra eto amin’ity firenena ity. Indrisy anefa fa ny zava-misy dia nigalabona tamin’ny fitiavan-tena tafahoatra amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena (boaderozy, volamena, vatosoa …) ny mpitondra ankehitriny. Manjaka ny kolikoly avo lenta eo amin’ny sehatra rehetra. Tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka, indrindra fa ny fitadiavam-baolana amin’ny fitokonana miseho etsy sy eroa. Tampenam-bava ny mpanao gazety sy ny fahafaha-miteny. Henjehana ary ampidirina am-ponja ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Ary ny goavana indrindra dia ny fivarotana tanindrazana ataon-dry zareo. Koa ambaranay fa heloka eo anatrehan’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona ny mbola hanekena hitohizan’izao fitondrana izao. Tsy azo ekena intsony, hoy ihany i Riribe, ny hamelana azy ireo ho tonga any amin’ny 2018.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.