Politique

Antoko HVM Diso mahatoky tena loatra


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Natao tany Toliara ny 16-17 jona teo ny fihaonambem-paritry ny ny antoko HVM, izay nireharehan’ny mpitondra fatratra fa tena matanjaka izy ireo.

 Iza no antoko politika eto Madagasikara mahavita an’izao ? Ny antom-pisiantsika dia hampandresy ny kandidantsika amin’ny fifidianana. Izay no baikom-pitolomana nandritry ny hetsika. Tsy maintsy mampiasa ny herinao ianao amin’ny politika, ary izao no anisan’ny hevitra iray lehibe hoentina hitarika ny olona maro samihafa, ary nandaniantsika volabe tokoa mba hampisehoana fa tena matanjaka ny fotsy sy manga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao. Mbola i Hery Rajaonarimampianina aloha hatreto no hirian’ny HVM ho kandida filoham-pirenena. Nofatoran’ny teniny i Rivo Rakotovao tamin’ny resaka famafazana volabe, izay efa fomba mahazatra azy ireo. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana mantsy dia zara raha nisy olona ny andro voalohany, ka noterena ireo sefom-pokontany sy mpiasam-panjakana hitondra olona, ary norahonana mihitsy fa hafindra toerana raha vao tsy manaraka baiko.

Nafafy ny vola

Notambazana tamin’ny fizarana  hena ihany koa ka raikitra ny ady teo am-pizarana. 2.000-5.000 ariary kosa ny vola nomena ny olona tamin’ny fanatrehana ny hetsika, ankoatra ny T-shirt, izay nisy tamin’ny olona sasany no nandoro izany. Tsy foto-kevitra no hanohanan’ny olona HVM fa ny vola afafiny, ka manantena mafy fa ho jamban’ny vola tsy mahavita taona hanambakana azy ny vahoaka. Tsy adinon’ny HVM ny abobo sy ny fampanantenana poakaty fanaony tamin’ny alalan’i Rivo Rakotovao hatrany, izay efa tena manao propagandy, ka nilaza fa betsaka ny asa hataonay ary isika HVM dia tokony hahasahy hijoro, ka andao isika hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana, hijery ny hijery no tombontsoan’ny vahoaka madinika. Tombontsoan’ny besinimaro ve ny fanangonan-karena sy afera maizina isan-karazany hahenoana ny anaran’ireo tandapa maro, toy ny afera Claudine Razaimamonjy ? Na milaza ho matanjaka aza ny HVM dia naneho ny hakanosana sy fahatahorana, ka dia nanaratsy ireo mety ho mpifaninana amin’ny fifidianana i Rivo Rakotovao. Sahia mijoro samia manda ireo olona manimanina ny tongolon’i Egipta, zatra ny lalan-dririnina mbola hitarika ity firenena ity hihemotra foana, hoy izy. Sahy milaza ve ny HVM fa nitarika ny firenena niakatra ny antokony ? Hinian’ny HVM sy i Rivo Rakotovao hikipiana fa tamin’ny fitondrany no nampitotongana tanteraka ny firenena, toy ny kolikoly tsy tambo isaina, izay izy ireo no tompondaka, fivarotana tanindrazana, fidangan’ny fidim-piainana, tsy fandriampahalemana, trafika isan-karazany izay porofon’ny fahalemen’ny mpitondra sy ny tsy fahafehezana ny firenena, saingy mbola hilingilingy hidongy seza sy hampiasa ny volabe azo tamin’ny fangoronana harem-pirenena sy ny kolikoly. Raha tena mahatoky tena sy manan-kambo ny HVM amin’ny fifidianana ho avy dia havela hirotsaka malalaka avokoa ny kandida rehetra, ary havela hisokatra ny haino aman-jery rehetra, ary azon’ny herivelona sy antoko samihafa sitrahana ihany koa ny haino aman-jerim-panjakana dia ho hita eo hoe izay mbola mamim-bahoaka, fa tsy manao ady an-kanosana tahaka ny misy ankehitriny, ary toa efa manao don-tandroka avy hatrany fa ry zareo no tsy maintsy mandresy amin’ny fifidianana 2018.


Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT