Vonona handray anjara amin’ny fifidianana rehetra misy eto amin’ny firenena ny antoko GFFM (Gideona Fanafahana ny Fahantrana eto Madagasikara), hoy ny filoha nasionaliny Rakotovao Andriamparany omaly teny Ivato tao anatin’ny lanonana fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nitsanganan’ity antoko ity.
Efa mijoro, hoy izy, ny sampana GFFM manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara ary vonona amin’izany sady miandrandra ny faminaniana lehibe efa nambaran’ny Pasitera Mailhol André Dieudonné hametrahana azy ho filohan’i Madagasikara amin’ity taona 2013 ity. Mbola nohamafisin’ny filohamboninahitra sady mpanorina ny antoko GFFM ary mpitarika rahateo ny FAM (Fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara) ity omaly, teny Ivato, fa mbola mitombina ny faminaniana azony tamin’ny taona 2000 hatramin’izao.
Izy (Pasitera Mailhol) mazava loatra no nitarika ny fanokafana ofisialy ny fanamarihana ny tsingerintaona voalohan’ny GFFM notronin’ny filoha am-perinasa. Homarihina mandritra ity taona 2013 ity manontolo ny fety ary harahina asa mivaingana ho fanomanana sy hitsenana ny fametrahana ny Pasitera Mailhol ho filoham-pirenena Malagasy. Tapaka sy namana ary mpitarika antoko sy mpanao politika maro moa no nanotrona an’ity lanonana teny Ivato omaly ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.