Politique

Antoko «Front Républicain Démocrate Légaliste» Ny fihaonamben’ny mpanao politika aloha no ndao hirosoana


  • Alakamisy 29 Jolay 2010


Tsy mandray anjara amin’ny Dinika Santatra ary tsy handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena ny antoko «Front Républicain Démocrate Légaliste (FRDL)», tarihin’i Tonton Ambroise. Mazava ny antony, hoy Rakotondramanana Désiré, sekretera jeneralin’ny antoko, satria mbola hevitr’ankolafy tokana ny nanomanana sy mikarakara azy ary tsy mbola ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa. Ny fanaovana fihaonamben’ny mpanao politika aloha no heverin’ny FRDL fa tokony hirosoana. Mandray anjara amin’io avokoa ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny mpahay toekarena. Izany dia tanterahina ao anatin’ny fahatoniana politika, izany hoe : mivoaka avokoa ny gadra politika rehetra ary mifamela ny samy mpanao politika. Hiaraha-manomana aorian’izay ny fanatanterahana ny fifidianana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT