Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 5 aprily tetsy amin’ny Cercle de cheminot Soarano ny taom-pikatrohan’ny antoko Freedom tarihin’ny filohany, Lalatiana Rakotondrazafy.
Vonona ny antoko hijoro amin’ny maha an-kavia azy ary manambara amin’ny fomba ofisialy fa mpanohitra ny fitondrana manoloana ireo tsy fetezan-javatra rehetra mitranga. Nitanisa moa ny tenany fa tsy nisy habibiana tafahoatra noho izao mitranga asehon’ny fitsaram-bahoaka marobe mitranga izao. Ny lalàmpanorenana anefa mametraka fa ambonin’ny zavatra rehetra ny ain’olombelona. Tsy mahazaka soatoavina ny mpitondra fa te hampanjaka fomba fisainana tokana. Manjaka ihany koa ny tsindry hazo lena ataon’ny manampahefana sy ny kolikoly ary tsy azo antenaina ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana . Antom-panonganana izao fitondrana izao ny tsy fijoroan’ny fitsarana avo (haute cours de justice) izay efa tokony ho nisokatra herintaona taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny fahefany. Nanao antso avo ny filohan’antoko ny hivondronan’ireo antoko mpanohitra rehetra sy ny hanoloran’ny fivondronambe kandidà tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018. Mino aho, hoy izy, fa vitan’ny mpanohitra izany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.