Ny orinasam-pirenena dia homena ny frantsay, ka izay mahazo eto dia mitondra ny volany any Frantsa.
Ny vondrona iraisam-pirenena dia tsy namana fa miray tsikombakomba ary fahantrana no setrin’ny fiarahana tamin’ireo na banky iraisam-pirenana na Amerikanina na Frantsay. Mbola mikotrika fanakorontanana hametrahana olona eo indray ire ary ao ambadik’izao. Izy no ao ambadiky ny zavatra maloto hatramin’izay ka hatramin’izao. Izy no manome vola ny CENI, Bianco, SAMIFIN, kanefa ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay na mpikambana ao anatin’ny Franc Maçon tsy mba voasambotra sy voakitika, rah any fanehoan-kevitry Sata Ranaivo. Raha tena namana ny Amerikanina dia ny Frantsay inona no tsy mampiaka-peo asy ka tsy eto ny Frantsay fa hesoriny, fa tsy ny famerenana an’i Claudine Razaimamonjy no mody hiraihirainy eto, kanefa tsy ampahafirin’ny mpangalatra teto iny ary ataontsika inona iny, hoy hatrany izy. Raha tena dinihina dia ireo firenena 2 ireo no mpanakorontana, hoy i James Ratsimba. Ny Frantsay no tena mpanakorontana tanteraka ary mpanampy tosika ny Amerikanina rehefa tsy vitany izany. Raha misy mpanakorontana eto dia ireo aloha fa tsy ny Malagasy kely, ka ireo no fahavalonay voalohany, hoy hatrany i James Ratsima
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.