Politique

Antoko AREMA Mila mihavana aloha isika


  • Alarobia 31 Mey 2017

Afaka nanao fifidianana foana isika fa tsy izany akory no nampandroso, fa ny laharam-pahamehana aloha dia ny mitady hevitra hampivondronana ny Malagasy, hoy i Simon Pierre, sekretera jeneralin’ny antoko Arema.

 Ny zavatra tokony hatao aloha dia ny fitakiana ny fandresena efa azo toy ny tamin’ny taona 1979 naneken’ny firenena mikambana fa antsika ireo Nosy antsoina hoe “Nosy Eparsa”, izay misy harena be, raha ny fanehoan-keviny. I Jouan de Nova manokana, ohatra, dia misy tahirina solika hatrany amin’ny 6 miliara barila, kanefa raha ny trosan’I Madagasikara na ireo volabe tadiavina amin’ny vahiny dia 50 miliara dolara raha be indrindra. Tsy tokony ho toy izao isika raha haintsika ny mifehy ny harenantsika ary efa nambaran’izao tontolo izao fa antsika, ka tokony mpampindrana isika fa tsy mpindrana, hoy i Simon Pierre. Tokony hatao ny fifampiraharahana eo amin’ny Frantsay sy ny Malagasy mba hiverenan’ireo faran’izay haingana. Nisy ny fanohizana ny dinika momba ity raharaha ity ny taona 1982 ary nihemotra foana rehefa nisy ny fivoriamben’ny Firenena mikambana. Tokony havondrona aloha ny hery amin’ny samy Malagasy hoe antsika io ary haintsika foana no hanaovana azy io rehefa azo, hoy hatrany izy. Tsy tokony hijerena loko politika io fa hapetraka hoe io aloha no vaindohan-draharaha araka ny fanehoan-keviny, ka na any amin’ny rafi-pampianarana aza dia tokony hampahafantarina sy hampidirina an-tsain’ny Malagasy fa antsika ireo. Ny olona te hanararaotra antsika dia miezaka ny tsy hampiray hina antsika, ka ny fampihavanana aloha no laharam-pahamehana, hoy hatrany ity andrarezin’ny fanaovana politika ity. Aorian’izay no tokony hametrahana ny mpitondra vonona hiaro ny tombotsoam-pirenena. Notsiahiviny ny tolo-kevitry ny filoha Ratsiraka fa mahita 2 miliara dolara isan-taona mandritra ny 5 taona hampiasaintsika ary mahita vary 250 000 taonina azon’ny olona hampindramina antsika mba hitsinjovana ny vahoaka hahafahany miatrika ny fiainany sy afaka ny hiray hina saingy tsy nohenoin’ny mpitondra izany. Tokony hararaotina ny maha mbola eo ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, izay mahalala zavatra maro ary nanamafy I Simon Pierre fa tsy toerana na seza no tadiavin’izy ireo fa adidy amin’ny tanindrazana. Ny mpitondra ankehitriny anefa dia hita fa tsy te hiditra amin’ny resaka fampihavanana fa te hitondra baolina irery hatrany, fa tsy mba vonon-kihaino ny hafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT